Songtexte.com Drucklogo

Raitra Songtext
von Tarika

Raitra Songtext

Midobodoboka tsy mijanona ny foko
Mierika ny masoko mitady tsy mahita
Ny eritreritro tsy mety fa manjohy anao hatrany
Manontanty, mitomany.
Mitamberina ao an-tsaiko ireo vetso-po tanaty
Nobitsihinao mangina am-poto-tsofiko eo mazna
Rehefa injay isika resin′torimaso iny
Fa any ianao izay ry tiako

Eto aho mitanisa ireo zavatra efa vita dia malahelo!
Tsy misy hanazava hoe atraiza ny hery miafina
Nanosika antsika ho tody teo
Tody teo aloha isika, teo amin'ny toerana avo indrindra.
Tsy hain′iza ho azavaina
Tsy vitan'iza ho ravna.


Tsy tiako hovna intsony lasa zarako aza ianao
Mifanojo lalana amiko
Saingy tsy ho zakako intsony ny hanafina na hanarona ny toe-draharaha misy
Marina fa be ny olana raha ho visaina
Ireo tsy tia sy fahavalo koa hanenjika avy hatrany
Kanefa izany ve no hamoizako anao
Vao may mitombo ny fitiavako miha-romotra

Enga anie ianao hiandry ahy fa izaho
Dia hiandry anao foana e!
Ny lalana nodiaviko mety tsy ho itanao
Tsy misy toa anao izay tojo azy
Ianao irery ihany no toa anao
Ianao no ho ahy e!
Tsy mila olon-kafa aho, tsy itady an'iza n′iza
Fa ianao irery ihany.

Tsy aiko intsony ny manafina
Efa fantatrao izany ka aza omena tsiny aho
Ny fiatsapazako avy atrany
Ny ranomasoko nijohy teo am-pandehananao
Mitoy tsy ankijanona, mikoriana hatrany hatrany ao anatiko ao e!
Rahoviana ianao ry tiako vao ho tonga eto indray
Hampionona ahy, rahoviana?


Tsy aiko intsony ny manafina
Efa fantatrao izany ka aza omena tsiny aho
Ny fiatsapazako avy atrany
Ny ranomasoko nijohy teo am-pandehananao
Mitoy tsy ankijanona, mikoriana hatrany hatrany ao anatiko ao e!
Rahoviana ianao ry tiako vao ho tonga eto indray
Hampionona ahy, rahoviana?

Songtext kommentieren

Log dich ein um einen Eintrag zu schreiben.
Schreibe den ersten Kommentar!

Beliebte Songtexte
von Tarika

Fans

»Raitra« gefällt bisher niemandem.