Nenina Songtext
von Mahaleo
Nenina Songtext
Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina
Efa tery avokoa
ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha
Lala ô inona ary
No mba azo atao
Zaza tsy fanary
Tsy fandao
Zakao ny sitrapo
K′aza mamoifo
Todio izy ireo
ka jereo
Toa narian-dray sy reny
nahatsiaro resy
tsisy intsony ireo mpiteny
ka fetsifetsy
Tonga ny fakam-panahy
matetika ratsy
vonjeo izy ireo ry lahy
fa lany vatsy
Ampio izy ireo
todio sy jereo
fa mangata-maso
sy mitoreo
Aza omena tsiny
fa tsy mba niriany
ny ho ety an-tany
ka hitomany
Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina
Efa tery avokoa
ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina
Efa tery avokoa
ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha
Lala ô inona ary
No mba azo atao
Zaza tsy fanary
Tsy fandao
Zakao ny sitrapo
K′aza mamoifo
Todio izy ireo
ka jereo
Toa narian-dray sy reny
nahatsiaro resy
tsisy intsony ireo mpiteny
ka fetsifetsy
Tonga ny fakam-panahy
matetika ratsy
vonjeo izy ireo ry lahy
fa lany vatsy
Ampio izy ireo
todio sy jereo
fa mangata-maso
sy mitoreo
Aza omena tsiny
fa tsy mba niriany
ny ho ety an-tany
ka hitomany
Efa tara loatra angamba
Vao nisaina
Ity maso efa jamba
Ka mangaina
Efa tery avokoa
ny lalan-kaleha
Ny tenany anefa, efa voa
Ka aleo mandeha
Writer(s): Public Domain Lyrics powered by www.musixmatch.com

