Mofo tantely Songtext
von Mahaleo
Mofo tantely Songtext
Hitako omaly ireo zanakao
Tao an-tokotany tao nilalao
Fa nampanataoviny mantsy aho omaly
Nandalondalo saika hamangy
Teo am-bavahady aho no nijoro
Tsy nisy afa-tsy tanam-po
Hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
Ho an′ny zanakao mianadahy
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tahafiny ireo masonao
Matahotra izy nahare varatra
Varatra avy any an-danitra
Ilay lahy kosa maherihery setra
Mitovy taminao naditraditra
Milalao ranon'orana izy dia
Mihirahira aviavia raha orana
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Izy angamba mahafinaritra
Niafona aho anefa toy ny mpangalatra
Ny marimarina izaho menatra
Hampanateriko ireo sôkôla
Ho an′ny zanakao mianadahy
Tsy hifanatrika aho tsy handroso
Satria ianareo roa ho ambinin-tsoa
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tao an-tokotany tao nilalao
Fa nampanataoviny mantsy aho omaly
Nandalondalo saika hamangy
Teo am-bavahady aho no nijoro
Tsy nisy afa-tsy tanam-po
Hitondra bônbôn ve izaho sa sôkôla
Ho an′ny zanakao mianadahy
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tahafiny ireo masonao
Matahotra izy nahare varatra
Varatra avy any an-danitra
Ilay lahy kosa maherihery setra
Mitovy taminao naditraditra
Milalao ranon'orana izy dia
Mihirahira aviavia raha orana
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Izy angamba mahafinaritra
Niafona aho anefa toy ny mpangalatra
Ny marimarina izaho menatra
Hampanateriko ireo sôkôla
Ho an′ny zanakao mianadahy
Tsy hifanatrika aho tsy handroso
Satria ianareo roa ho ambinin-tsoa
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Tsaroako ianao fahiny
Mihinana mofon-tantely
Ity vetsovetso ataoko androany ity
Ho anao ilay tsy lany mamy
Lyrics powered by www.musixmatch.com

